2 Chronicles 32:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamim-peo avo sy amin’ny fiteny Jody, no niantsoantsoan’ireo mpanompony tamin’ny vahoaka tao Jerosalema izay teny ambony manda, mba hampitahotra sy hampivadi-po an’ireo, hahazoany ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany, ireto irak’i Saneheriba ireto dia niantso tamin’ny feo mahery sady araka ny fiteny jodeanina teo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema izay teny ambonin’ny manda; ny hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna no anton’izany.
Malagasy Bible 1865
Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso tamin’ny feo mahery izy ka niteny hebreo teo anatrehan’ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin’ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahazoany ny tanàna.
malagasy
Dia niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao teny Jiosy teo anatrehan'ny mponina tany Jerosalema izay teny ambonin'ny manda hampitahorany sy hampangorohoroany azy mba hahafahany ny tanàna.