2 Chronicles 32:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny mpitarika teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria ka lasa nody tamin-kenatra i Sankeriba. Nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy dia novonoin’ny zanany naterany tao tamin’ny sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO kosa naniraka anjely, izay nandringana ny miaramila maherifo rehetra sy ny manamboninahitra ary ny komandy teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria. Ka dia lasa nody tamin-kenatra i Saneheriba; ary nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ireo zanany naterany ihany no namono nahafaty azy tao tamin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin'ny mpanjakan'i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin'ny sabatra ny zanany naterany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny mpitarika teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria ka lasa nody tamin-kenatra i Sankeriba. Nony niditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy dia novonoin’ny zanany naterany tao tamin’ny sabatra.
malagasy