2 Chronicles 32:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary maro no nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO tany Jerosalema ary nanome zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maro ny olona nitondra fanatitra ho an’i Iaveh tany Jerosalema ary fanomezana sarobidy ho an’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà, izay tonga voasandratra teo imason’ny firenena rehetra hatramin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona maro no nitondra fanatitra ho an’ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an’i Hezekià mpanjakan’i Joda; ka nanomboka tamin’izay i Hezekià no nalaza teo imason’ny firenen-drehetra manodidina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary maro no nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO tany Jerosalema ary nanome zava-tsoa ho an’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda; dia nalaza teo imason’ny firenena rehetra izy hatramin’izay.
malagasy
Ary ny maro nitondra fanatitra ho an'i Jehovah tany Jerosalema sy zava-tsoa ho an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; dia nalaza teo imason'ny firenena rehetra izy hatramin'izany.