2 Chronicles 32:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony i Hezekia, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema ka tsy niharan’ny fahatezeran’NY TOMPO izy ireo fony fahavelon’i Hezekia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanetry tena i Ezekiasa noho ilay niavonavonan’ny fony, dia izy mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka tsy niharan’ny fahatezeran’i Iaveh izy ireo, nandritra ny andro niainan’i Ezekiasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.
Malagasy Bible 1865
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa nanetry tena noho ilay efa niavonavonan’ny fony i Hezekia, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema ka tsy niharan’ny fahatezeran’NY TOMPO izy ireo fony fahavelon’i Hezekia.
malagasy
Kanefa Hezekia nanetry tena noho ilay efa niavonavonan'ny fony, dia izy sy ny mponina tany Jerosalema, ka dia tsy niharan'ny fahatezeran'i Jehovah ireo fahavelon'i Hezekia.