2 Chronicles 32:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanana harena sy voninahitra be indrindra i Hezekia; dia nanao trano fitahirizana izy hitahirizany ny volafotsy, ny volamena, ny vatosoa, ny zavamanitra, ny ampinga mbamin’izay fanaka tsara rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanan-karena amam-boninahitra be i Ezekiasa. Nahatonga rakitra miavosa izy, dia volafotsy, volamena, vato soa, zava-manitra, ampinga ary zavatra mahate hanana isan-karazany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Harena amam-boninahitra be dia be tokoa no nananan’i Hezekià. Ka nanao trano firaketana izy hametrahany ny volafotsy sy ny volamena, ny vatosoa sy ny zava-manitra ary ny ampinga mbamin’ny fanaka sarobidy isan-karazany;
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia nanana harena sy voninahitra be indrindra; dia nanao trano firaketana izy hitehirizany ny volafotsy sy ny volamena sy ny vato soa sy ny zava-manitra sy ny ampinga mbamin'izay fanaka tsara rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanana harena sy voninahitra be indrindra i Hezekia; dia nanao trano fitahirizana izy hitahirizany ny volafotsy, ny volamena, ny vatosoa, ny zavamanitra, ny ampinga mbamin’izay fanaka tsara rehetra,
malagasy