2 Chronicles 32:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa noho ny amin’ny irak’ireo mpanapaka tany Babilona, izay nandefa iraka tany aminy mba hanontany ny amin’ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny tany, dia nilaozan’Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy mba hahalalany izay rehetra tao am-pony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ireo iraka nirahin’ny lehiben’i Babilôna, hanontany azy ny amin’ny zava-mahagaga natao teo amin’ny tany, ny hany nandaozan’Andriamanitra azy, dia ny hizahany toetra azy, mba hahalalany ny ao am-pony rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, rehefa nandefasan’ny manampahefana babilônianina iraka izy mba hanontany momba ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny taniny, dia navelan’Andriamanitra hanao saim-pantatra izy mba hisedrany azy ka hahalalany izay toetrany rehetra.
Malagasy Bible 1865
Nefa noho ny amin'ny irak'ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin'ny zava-mahagaga natao teo amin'ny tany, dia nilaozan'Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa noho ny amin’ny irak’ireo mpanapaka tany Babilona, izay nandefa iraka tany aminy mba hanontany ny amin’ny zava-mahagaga nitranga teo amin’ny tany, dia nilaozan’Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy mba hahalalany izay rehetra tao am-pony.
malagasy