2 Chronicles 32:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Hezekia, dia nalevina tao amin’ny fiakarana ho any amin’ny fasan’ny zanak’i Davida; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema dia nanome voninahitra azy tamin’ny nahafatesany. Ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa, ka nalevina teo amin’ny fitoerana ambony indrindra, amin’ny fasan’ny taranak’i Davida; ary tamin’ny nahafatesany, dia niara-nanome voninahitra azy i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema. I Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hezekià, dia nalevina tao amin’ny faritra ambony eo amin’ny fasan’ireo taranak’i Davida; tamin’izay ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra dia samy nanome voninahitra azy. Ary i Manase zanakalahin’i Hezekià no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny fiakarana ho any amin'ny fasan'ny zanak'i Davida izy; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema nanome voninahitra azy tamin'ny nahafatesany. Ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Hezekia, dia nalevina tao amin’ny fiakarana ho any amin’ny fasan’ny zanak’i Davida; ary ny Joda rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema dia nanome voninahitra azy tamin’ny nahafatesany. Ary i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
malagasy