2 Chronicles 32:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahazo hery i Hezekia ka namboarina avokoa izay rava tamin’ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny, nasiany manda hafa koa teo ivelany; nanamboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida koa izy sady nanao lefona sy ampinga betsaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahazo hery i Ezekiasa, ka namboariny avokoa ny manda rava, nohavaoziny ny tilikambo, naoriny ny manda hafa teo ivelany, nohamafisiny i Melô tao an-tanànan’i Davida, ary nampanao fiadiana aman’ampinga betsaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an- Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.
Malagasy Bible 1865
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahazo hery i Hezekia ka namboarina avokoa izay rava tamin’ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny, nasiany manda hafa koa teo ivelany; nanamboatra an’i Milo tao an-Tanànan’i Davida koa izy sady nanao lefona sy ampinga betsaka.
malagasy
Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.[Heb. fiarovana]