2 Chronicles 32:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nirahin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, ny mpanompony hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, sy ho any amin’i Joda rehetra izay tany Jerosalema, fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa tamin’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy, koa hoy izy:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, naniraka ny mpanompony ho any Jerosalema i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, - fa izy mbamin’ny miaramilany rehetra izany dia mbola teo anoloan’i Lakisa, ho any amin’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ireo avy amin’i Jodà rehetra tao Jerosalema hilaza aminy hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekià mpanjakan’i Joda sy ho any amin’ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra. Ka hoy ny hafatra nampitain’ireto iraka hoe:
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, dia nirahin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ny mpanompony hankany Jerosalema (fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa nanao fahirano an'i Lakisy tamin'izay) ho any amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ho any amin'ny Joda rehetra izay tany Jerosalema ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nirahin’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, ny mpanompony hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekia, mpanjakan’i Joda, sy ho any amin’i Joda rehetra izay tany Jerosalema, fa izy sy ny miaramilany rehetra kosa tamin’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy, koa hoy izy:
malagasy