2 Chronicles 33:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany dia nanao manda teo ivelan’ny Tanànan’i Davida izy, teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ny fidirana amin’ny vavahadin-kazandrano; nataony manodidina an’i Ofela io sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho mpitarika ny miaramila ho any amin’ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izany, nanao manda teo ivelan’ny tanànan’i Davida izy, teo andrefana mankany Gihôna amin’ny lohasaha hatrany amin’ny vavahadin-Kazandrano hanodidina an’i Ofela, sady nasondrony avo dia avo. Ary nametrahany mpifehy miaramila ny tanàna mimanda rehetra amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany i Manase dia nanao manda teo ivelan’ny Tanànan’i Davida, dia teo andrefan’ny loharanon’i Gihôna. Nitandavana nanaraka ny lohasahan-driaka izany manda izany ka tafapaka hatrany amin’ny Vavahadin’ny Hazandrano rehefa nanodidina an’i Hôfela; avo dia avo no nanaovany azy. Ary nanendreny komandin’ny miaramila ireo tanànamimanda rehetra tao Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan'ny Tanànan'i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin'ny lohasahan-driaka, ka hatramin'ny fidirana amin'ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an'i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin'ny miaramila ho any amin'ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany dia nanao manda teo ivelan’ny Tanànan’i Davida izy, teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ny fidirana amin’ny vavahadin-kazandrano; nataony manodidina an’i Ofela io sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho mpitarika ny miaramila ho any amin’ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
malagasy