2 Chronicles 33:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nesoriny ireo andriamanitra hafa sy ny sampy tao amin’ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny alitara rehetra izay efa naoriny tany amin’ny tendrombohitry ny tranon’NY TOMPO sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny andriamani-kafa, ny sampy, mbamin’ireo ôtely rehetra naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, sy tao Jerosalema, ka nariany tany ivelan’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nesoriny avy ny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon’ny TOMPO; ary nariany teny ivelan’ny tanàna ny alitara rehetra izay naoriny teo an-tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO sy tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Dia nesoriny ireny andriamanikafa sy ny sampy tao an-tranon'i Jehovah mbamin'ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon'i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan'ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nesoriny ireo andriamanitra hafa sy ny sampy tao amin’ny tranon’NY TOMPO mbamin’ny alitara rehetra izay efa naoriny tany amin’ny tendrombohitry ny tranon’NY TOMPO sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ny tanàna.
malagasy