2 Chronicles 33:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vavaka nataony sy ny naneken’Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ny toerana izay nanorenany toerana fanaovana sorona sy nananganany tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ny tenin’i Hozay izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vavaka nataony, ny nihainoan’Andriamanitra an’izany, ny fahotany amam-pahadisoany, ny toerana nanorenany fitoerana avo, sy nananganany aserah aman-tsarin-javatra, talohan’ny nanetreny tena, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Hôzaia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vavaka nataon’i Manase sy ny nileferan’Andriamanitra taminy ary ny antsipirian’ny fahotana amam-pahadisoana rehetra vitany mbamin’ny faritra nanorenany toeram-panasinana sy nasiany tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nananganany sarivongan-tsampy fony izy tsy mbola niaiky heloka, dia voasoratra ao amin’ny Asan’i Hôzay.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken'Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin'ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin'ny tenin'i Hozay izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vavaka nataony sy ny naneken’Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ny toerana izay nanorenany toerana fanaovana sorona sy nananganany tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ny tenin’i Hozay izany.
malagasy