2 Chronicles 33:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona, izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ireo Baala izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naoriny indray ny fitoerana avo noravan’i Ezekiasa rainy; nanangana ôtely ho an’ireo Baala izy; nanao aserah izy, ary niankohoka teo anatrehan’ny tafiky ny lanitra, sy nanompo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naorin’i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan’i Hezekià rainy ka nananganany alitara ho an’ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an’ireo Aserà; dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.
Malagasy Bible 1865
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namboariny indray ny toerana fanaovana sorona, izay efa noravan’i Hezekia rainy ka nanangana alitara ho an’ireo Baala* izy sady nanao tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ka nanompo azy
malagasy
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan'i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an'ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan'izay rehetra eny amin'ny lanitra ka nanompo azy