2 Chronicles 33:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampamakivakìny ny afo tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinoma ny zanany no sady nanandro no nanao sikidy no nitana ody ary naka ireo izay milaza azy ho mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; nahery nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tokoa izy ka nampahatezitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary na ireo zanany lahy aza dia natolony ho sorona dorana teo an-dohasahan’i Bena-Hinôma. Ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy sy nanao ody mahery izy, ary naka hevitra tamin’ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana. Dia nahery nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan'ny taranak'i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampamakivakìny ny afo tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinoma ny zanany no sady nanandro no nanao sikidy no nitana ody ary naka ireo izay milaza azy ho mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro; nahery nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO tokoa izy ka nampahatezitra Azy.
malagasy