2 Chronicles 33:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tsy hampandeha ny tongotry ny Israely hiala amin’ny tany izay efa notendreko ho an’ny razanareo intsony Aho, raha mba mitandrina koa izy ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy havoakako hiala amin’ny tany notendreko ho an’ny razanareo ny tongotr’i Israely, raha mbola tandremany ihany koa ny manaraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin’ny alalan’i Môizy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tsy hampirenireny ny Israelita hiala amin’ny tany izay efa notendreko ho an’ny razany Aho, raha imasoany hotandremana izay rehetra nandidiako azy, izany hoe ny lalàna manontolo sy ny baiko ary ny fitsipika nampitaiko tamin’ny alalan’i Mosesy.»
Malagasy Bible 1865
ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tsy hampandeha ny tongotry ny Israely hiala amin’ny tany izay efa notendreko ho an’ny razanareo intsony Aho, raha mba mitandrina koa izy ka hanatanteraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an’i Mosesy.
malagasy