2 Chronicles 34:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nefain’ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatery hitandrina azy ireo, dia i Jahata sy i Abdiasa Levita tamin’ny taranak’i Merarì, i Zakariasa sy i Mosolama tamin’ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin’ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahatoky tokoa ny fomba fiasan’ny olona, teo ambany fifehezan’ireto levita ireto: dia i Jahata sy i Hôbadià tamin’ny taranak’i Merarỳ, ary koa i Zakarià sy i Mesolama tamin’ny taranak’i Kehata. Nisy levita hafa, izay samy mpiangaly zava-maneno avokoa,
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona dia nanao ny asa araka izay mety hatao; ary ny voatendry hifehy azy dia lahata sy Obadia Levita, avy tamin'ny taranak'i Merary, ary Zakaria sy Mesolama, avy tamin'ny taranaky ny Kehatita, ary ny Levita rehetra izay nahay ny zava-maneno isan-karazany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny asa tamim-pahamarinana ny olona; ary ny voatendry hifehy azy dia i Jahata sy i Obadia levita, avy tamin’ny taranak’i Merary, i Zakaria sy i Mesolama, avy tamin’ny taranaky ny Kehatita ary ny levita rehetra izay nahay ny zavamaneno isan-karazany.
malagasy