2 Chronicles 34:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no tonian’ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin’ny taozavatra samihafa rehetra; ary avy tamin’ny levita koa dia nisy mpitantsoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy koa no nitandrina ny mpitondra entana, sy nitarika ny mpiasa rehetra amin’ny taozavatra isan-karazany. Nisy Levita sasany koa, mpanoratra, mpikarakara sy mpiandry varavarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka natao tonian’ny mpitondra entana sy mpibaiko ny mpiasa rehetra araka ny anton-draharahany avy; ary tamin’ny levita koa dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
Malagasy Bible 1865
dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
dia ireo no tonian'ny mpitondra entana sady nifehy izay rehetra nanao raharaha tamin'ny tao-zavatra samy hafa rehetra; ary avy tamin'ny Levita koa nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.