2 Chronicles 34:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Helkiasa niteny tamin’i Safàna mpanoratra: «Hitako tao an-tranon’i Iaveh ny bokin’ny lalàna», ary natolotr’i Helkiasa an’i Safàna ny boky.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Safàna mpanoratra no nitenenan’i Hilkià ka nilazany fa ny Bokin’ny Lalàna dia hitany tao an-tranon’ny TOMPO. Dia natolotr’i Hilkià an’i Safàna ny boky;
Malagasy Bible 1865
Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny tamin’i Safana mpitantsoratra i Hilkia hoe: Ny bokin’ny lalàna dia hitako tao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia natolotr’i Hilkia an’i Safana ny boky.
malagasy
Ary niteny Hilkia ka nanao tamin'i Safana mpanoratra hoe: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky.