2 Chronicles 34:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ho an’izay sisa amin’ny Israely sy ny Joda ny amin’izay lazain’ity boky vao hita ity; fa mafy ny hatezeran’NY TOMPO naidiny tamintsika noho ny tsy nitandreman’ny razantsika ny tenin’NY TOMPO, handeha araka izay rehetra voasoratra ao amin’ity boky ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana ianareo, manontania amin’i Iaveh, ho ahy sy ho an’izay sisa amin’i Israely sy i Jodà, ny amin’ny teny amin’io boky vao hita io, fa lehibe ny fahatezeran’i Iaveh nirotsaka amintsika, satria ny razantsika tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh amin’ny fanatanterahana izay rehetra voasoratra amin’io boky io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an’ny olona sisa tavela eto Israely sy Joda ny amin’ny teny raketin’io boky vao hita io. Ireo razantsika manko tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra anatin’io boky io, hany ka mafy ny fahatezerana atosakin’ny TOMPO amintsika.
Malagasy Bible 1865
Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andeha manontany amin’NY TOMPO ho ahy sy ho an’izay sisa amin’ny Israely sy ny Joda ny amin’izay lazain’ity boky vao hita ity; fa mafy ny hatezeran’NY TOMPO naidiny tamintsika noho ny tsy nitandreman’ny razantsika ny tenin’NY TOMPO, handeha araka izay rehetra voasoratra ao amin’ity boky ity.
malagasy