2 Chronicles 34:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia lasa i Helkiasa mbamin’ireo voatendrin’ny mpanjaka, nankany amin’i Holdà mpaminany vavy, vadin’i Seloma zanak’i Tekoata zanak’i Hasrà, mpitahiry ny fitafiana. Tao Jerosalema amin’ny faritany faharoa ravehivavy no nitoetra. Nony voalazan’izy ireo taminy ny nanirahana azy, dia izao no nalazany azy ireo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià sy ireo olon-kafa voatendrin’ny mpanjaka. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tôkehata sy zafikelin’i Hasrà sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,
Malagasy Bible 1865
Ary Hilkia sy izay notendren'ny mpanjaka dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tokehata, zanak'i Hasra, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tany Jerosalema tao amin'ny tanàna ambany ravehivavy) ary niresaka izany taminy izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Hilkia sy izay notendren’ny mpanjaka dia nankany amin’i Holda mpaminanivavy, vadin’i Saloma, zanak’i Tokehata, zanak’i Hasra, mpitahiry ny fitafiana, fa nitoetra tao amin’ny faritra vaovao tany Jerosalema Ravehivavy, ary niresaka izany taminy izy ireo.
malagasy