2 Chronicles 34:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra raha nandre ny teniny ny amin’ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, Izaho koa efa nihaino, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho ianao nibebaka tao am-ponao sy nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny fandrenesana ny teny mamely ity tany ity mbamin’ny mponina ao aminy; noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako tamin’ny fanetrena ny tenanao, Izaho koa dia efa nihaino anao: teny marin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny teny izay efa renao, dia nino anatra ianao ka niaiky heloka teo anatrehako, rehefa nihaino ny teniko ny amin’ity tanàna ity sy ny mponiny. Ary satria niaiky heloka teo anatrehako ianao ka nandriatra fitafiana sady nitomany, dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra raha nandre ny teniny ny amin’ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, Izaho koa efa nihaino, hoy NY TOMPO.
malagasy