2 Chronicles 34:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa hangoniko any amin’ny razanao ianao, dia ho voangona amim-piadanana ao am-pasanao ka tsy hahita maso ny loza rehetra hampidiriko amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eo aminy.» Dia nentin’izy ireo ho any amin’ny mpanjaka izany valy azony izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro hangoniko any amin’ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanàna ity sy ny mponiny.» Dia nitondra izany valinteny izany ho an’ny mpanjaka i Hilkià sy ireo namany.
Malagasy Bible 1865
Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana, ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, hangoniko any amin’ny razanao ianao ary hangonina any amin’ny fasanao amin’ny fiadanana ka ny masonao dia tsy mba hahita izay loza rehetra hoentiko mamely ity tanàna ity sy ny mponina eto. Dia nitondra valiny ho any amin’ny mpanjaka izy ireo.
malagasy