2 Chronicles 34:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia nanomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy; ary tamin’ny taona faharoa amby folo dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy toerana fanaovana sorona, na tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra voarendrika intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, mbola tanora izy fahizay, dia efa niantomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy izy, ary tamin’ny taona faha-12, dia natombony ny fanadiovana an’i Jodà sy i Jerosalema, tsy hisy fitoerana avo, na aserah, na sarin-javatra voasikotra, na sarin-javatra anidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahavalo nanjakàny, fony i Jôsià mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny; ary efatra taona taorian’izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakàn’i Joda sy ny tanànan’i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana na tsatokazo fanajana an’i Aserà, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia nanomboka nitady ny Andriamanitr’i Davida rainy; ary tamin’ny taona faharoa amby folo dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy toerana fanaovana sorona, na tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha*, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra voarendrika intsony.
malagasy
Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony.