2 Chronicles 34:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema, ny mpisorona, ny Levita, ny vahoaka rehetra, hatramin’ny lehibe indrindra sy ny kely indrindra, ary novakina teo anatrehan’izy rehetra, ny teny ao amin’ny bokin’ny fanekena, hita tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niaraka nankao an- tranon’ny TOMPO ireo mbamin’ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin’i Jôsià teo anatrehan’ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin’ny bokin’ny fanekempihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, ny lehilahy rehetra tamin’i Joda, ny mponina tany Jerosalema mbamin’ny mpisorona sy ny levita* ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely. Dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tao amin’ny bokin’ny fanekena izay hita tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka sy ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny Levita ary ny vahoaka rehetra, na lehibe na kely; dia novakiny teo anatrehany ny teny rehetra teo amin'ny bokin'ny fanekena, izay hita tao an-tranon'i Jehovah.