2 Chronicles 34:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka dia nijoro teo amin’ny toerany, dia nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO hanaraka Azy ka hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany izy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana teo amin’ny lampihazo ny mpanjaka, nohavaoziny teo anatrehan’i Iaveh indray ny fanekena, nanetry tena hanaraka an’i Iaveh izy, hitandrina ny didiny amam-pitsipiny mbamin’ny lalàny, amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, amin’ny fanarahana ny teny amin’ny fanekena voasoratra amin’izany boky izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nitsangana teo ambonin’ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO mba hanarahan’ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalànany amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin’ny fanekempihavanana izay voasoratra ao amin’io boky io.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena izay voasoratra ao amin'izany boky izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka dia nijoro teo amin’ny toerany, dia nanao fanekena teo anatrehan’NY TOMPO hanaraka Azy ka hitandrina ny lalànany sy ny teny vavolombelony ary ny didiny amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, hankatò ny tenin’ny fanekena izay voasoratra ao amin’izany boky izany izy,
malagasy