2 Chronicles 34:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nasainy hifikitra tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nandeha araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary notaominy hiaiky ny fanekena ny olona rehetra tao Jerosalema sy any Benjamina, ka dia nanao araka ny faneken’Andriamanitra, izay Andriamanitry ny razany, ny mponina tao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nasainy nanome toky ny olona rehetra izay tao Jerosalema mbamin’ny Benjaminita. Izany no nahatonga ny mponin’i Jerosalema hitondra tena araka ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razany.
Malagasy Bible 1865
sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nasainy hifikitra tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nandeha araka ny faneken’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razany.
malagasy
sady nampifikiriny tsara koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy ny Benjamina. Ary ny mponina tany Jerosalema dia nanao araka ny faneken'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny razanyAry Josia nanaisotra ny fahavetavetana rehetra tamin'ny tany rehetra izay an'ny Zanak'isiraely sady nandidy izay rehetra teo amin'ny Isiraely hanompo an'i Jehovah Andriamaniny. Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ny olona.