2 Chronicles 34:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noravana teo anatrehan’i Jôsià ny alitara n’ireo andriamanitra Bahala; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an’i Aserà mbamin’ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo efa nanolotra sorona tamin’ireny andriamani-tsiizy ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noravan’ny olona teo anatrehan’i Josia ny alitaran’ireo Baala*; ny fandoroana ditin-kazo manitra izay teo amboniny dia nazerany; ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ny sarin-javatra voarendrika dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo izay namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
malagasy
Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy. [Na: tsangam-bato]