2 Chronicles 34:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany izy, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’i Safana, zanak’i Azalia, sy i Mahaseia, mpifehy ny tanàna, ary i Joa, zanak’i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, mba hanamboatra ny tranon’NY TOMPO Andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-18 nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny tranon’Andriamanitra, dia nirahiny i Safàna zanak’i Aslià sy i Maasiasa komandin’ny tanàna, ary i Jôhà zanak’i Jôakaza mpitahiry bokim-panjakana, hamboatra ny tranon’i Iaveh Andriamaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jôsià, iny izy mbola manadio ny tany sy ny tempoly iny, dia i Safàna zanakalahin’i Atsalià ary koa i Mahaseià komandin’ny tanàna sy i Jôà zanakalahin’i Jôahaza sady mpitondratenin’ny mpanjaka no nirahiny mba hamboatra ny tranon’ny TOMPO Andriamaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakany, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an'i Safana, zanak'i Azalia, sy Mahaseia, komandin'ny tanàna, ary Joa, zanak'i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, izy mba hamboatra ny tranon'i Jehovah Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakany izy, rehefa voadiony ny tany sy ny trano, dia naniraka an’i Safana, zanak’i Azalia, sy i Mahaseia, mpifehy ny tanàna, ary i Joa, zanak’i Joahaza, mpitadidy ny raharaham-panjakana, mba hanamboatra ny tranon’NY TOMPO Andriamaniny.
malagasy