2 Chronicles 34:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy ireo dia natolony ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nangonin’ny levita, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase, ny Efraima, ny sisa rehetra tamin’ny Israely, tamin’ny Joda, ny Benjamina rehetra ary ny mponina tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankao amin’i Helkiasa mpisorona lehibe ireo, nanolotra ny vola naterina tao an-tranon’Andriamanitra, nangonin’ireo Levita mpiandry varavarana avy tamin’i Manase sy i Efraima, mbamin’i Israely rehetra sy i Jodà rehetra ary i Benjamina sy ny mponina ao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’i Hilkià mpisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin’ny olona tao an-tranon’Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin’ny Manasita sy ny Efraimita mbamin’ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin’ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin’ny mponin’i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga teo amin’i Hilkia mpisoronabe izy ireo dia natolony ny vola izay nampidirina tao amin’ny tranon’Andriamanitra, izay nangonin’ny levita*, mpiandry varavarana, tamin’ny Manase, ny Efraima, ny sisa rehetra tamin’ny Israely, tamin’ny Joda, ny Benjamina rehetra ary ny mponina tany Jerosalema.
malagasy
Ary rehefa tonga teo amin'i Hilkia mpisoronabe izy, dia natolony ny vola izay nampidirina tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nangonin'ny Levita, mpiandry varavarana, tamin'ny Manase sy ny Efraima sy ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely, ary tamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny mponina tany Jerosalema.