2 Chronicles 35:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an’NY TOMPO i Josia; namono ny Paska ny olona tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankalaza ny Paka tao Jerosalema i Josiasa ho fankalazana an’i Iaveh, ka namonona ny Paka ny olona tamin’ny andro faha-14n’ny volana voalohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao fankalazana ny Paska i Jôsià ho voninahitry ny TOMPO; ary tamin’ny volana voalohany, andro faha-14, no namonoan’ny olona ny biby ho an’ny sakafo Paska.
Malagasy Bible 1865
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitandrina ny Paska* tany Jerosalema ho an’NY TOMPO i Josia; namono ny Paska ny olona tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany.
malagasy
Ary Josia nitandrina ny Paska tany Jerosalema ho an'i Jehovah; dia namono ny Paska ny olona tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany.