2 Chronicles 35:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novonoin’ny olona ny Paska, ary nafafin’ny mpisorona ny ra teny an-tanany, fa ny levita kosa no nanendaka ny hoditry ny biby voavono.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novonoin’ny Levita ny Paka, ary ny mpisorona nandray ny ra avy any an-tanan’ireo sy nandraraka azy, ary ny Levita kosa tamin’izay dia nanoditra ny sorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novonoin’ny olona ny biby ho an’ny sakafo Paska; ny ran’ireo biby ireo dia noraisin’ny mpisorona ka nararany teo amin’ny alitara; ary ny levita kosa nanoditra ireo biby voavono.
Malagasy Bible 1865
Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novonoin’ny olona ny Paska, ary nafafin’ny mpisorona ny ra teny an-tanany, fa ny levita kosa no nanendaka ny hoditry ny biby voavono.
malagasy
Dia novonoin'ny olona ny Paska, ary natopin'ny mpisorona ny rà teny an-tànany, dia vao nohodiran'ny Levita kosa.