2 Chronicles 35:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandrahoina tamin’ny afo araka ny fanao ny Paska; fa ny zava-masina kosa dia nandrahoiny tao anaty vilany sy vilany be ary vilany kely, dia nozarainy haingana tamin’ny olona rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natsatsiny tamin’ny afo, araka ny fanao, ny Paka, nandrahoiny tamin’ny vilany sy vilanibe ary lapoaly, ny fanatitra masina, dia nozarainy faingana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakondrin’ny Paska dia natsatsika tamin’ny afo araka ny fanao; fa ny fanatitra masina hafa kosa nandrahoina tao anaty vilany sy vilanibe ary kaseraola, dia nozaraina faingana tamin’izay rehetra teraky ny firenena israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandrahoina tamin’ny afo araka ny fanao ny Paska; fa ny zava-masina kosa dia nandrahoiny tao anaty vilany sy vilany be ary vilany kely, dia nozarainy haingana tamin’ny olona rehetra ireo.
malagasy
Ary ny Paska natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao; fa ny zava-masina kosa nandrahoiny tao anaty vilany sy vilanibe ary kasiteronina, dia nozarainy faingana tamin'ny olona rehetra izany.