2 Chronicles 35:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa ary i Hemana sy i Jedotona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ny fanompoany ireo, koa ny levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny toerany araka ny fepetra nataon’i Davida ary koa nataon’i Asafa sy i Hemàna mbamin’i Jedotòna izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka niala tamin’ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpihira, taranak'i Asafa, nitoetra teo amin'ny fitoerany, araka ny didin'i Davida sy Asafa sy Hemana ary Jedotona, mpahitan'ny mpanjaka, ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin'ny fanompoany ireo, ka ny Levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpihira, taranak’i Asafa, dia teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa ary i Hemana sy i Jedotona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana dia teo amin’ny isam-bavahady; fa tsy afaka niala tamin’ny fanompoany ireo, koa ny levita rahalahiny no nanamboatra ho azy.
malagasy