2 Chronicles 35:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ny Israely na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ny Israely rehetra dia tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’i Josia sy ny mpisorona sy ny levita ary ny Joda rehetra sy ny Israely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan’i Israely nahavita Paka torak’izay nataon’i Josiasa mbamin’ny mpisorona, ny Levita, i Jodà rehetra, sy i Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjaka rehetra tamin’i Israely dia tsy nisy nankalaza ny Paska tahaka izay nataon’i Jôsià sy ny mpisorona ary ny levita mbamin’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina rehetra ary ny Israelita hafa izay vory teo.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin'ny Isiraely na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ny Israely na dia hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ny Israely rehetra dia tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’i Josia sy ny mpisorona sy ny levita ary ny Joda rehetra sy ny Israely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.
malagasy