2 Chronicles 35:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’i Josia ny Trano, dia niakatra i Neko, mpanjakan’i Ejipta, hiady tany Karkemisy eo amoron’i Eofrata; ary niainga hiady aminy i Josia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tatỳ aorian’izany rehetra izany, rehefa voamboatr’i Josiasa ny tranon’i Iaveh, dia niakatra hiady ao Karikamisa amoron’i Eofrata, i Nekô mpanjakan’i Ejipta: ka dia nivoaka hitsena azy i Josiasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankoatra izany rehetra izany, nony efa voavoatran’i Jôsià ny tempoly, dia niakatra i Nekao mpanjakan’i Ejipta mba hiady any Karkemisy eo amoron’i Eofrata; tamin’izay i Jôsià no niainga hifanehatra aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin’i Josia ny Trano, dia niakatra i Neko, mpanjakan’i Ejipta, hiady tany Karkemisy eo amoron’i Eofrata; ary niainga hiady aminy i Josia.
malagasy
Ary rehefa afaka izany rehetra izany, nony efa namboarin'i Josia ny tempoly, dia niakatra Neko, mpanjakan'i Egypta, hiady tany Karkemisy eo amoron'i Eofrata; ary Josia nivoaka hiady aminy.