2 Chronicles 35:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandefa iraka ho any aminy i Neko hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda? Tsy hiady aminao izao anio izao aho fa amin’ny fahavaloko, sady nasain’Andriamanitra handeha haingana aho; koa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nandefa iraka ho any aminy i Nekô nanao hoe: «Inona no tadiavinao amiko, ry mpanjakan’i Jodà? Tsy hiady aminao no nalehako izao, fa hiady amin’ny fianakaviana izay ananako ady, sady nasain’Andriamanitra mandeha faingana aho. Ka aoka itsy, fa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao dia ataony maty ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Nekao kosa naniraka olona ho any aminy hanao hoe: –Tsy natao hifamely akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda! Tsy ady aminao izao ataoko anio izao, fa amin’ny fahavaloko; sady nasain’Andriamanitra handeha faingana aho. Koa aza toherinao Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
Malagasy Bible 1865
Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandefa iraka ho any aminy i Neko hilaza hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’i Joda? Tsy hiady aminao izao anio izao aho fa amin’ny fahavaloko, sady nasain’Andriamanitra handeha haingana aho; koa aza manohitra an’Andriamanitra izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
malagasy