2 Chronicles 35:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nesorin’ny mpanompony tamin’izany kalesy fitondra miady izany izy ka napetrany teo amin’ny kalesiny fitondra miady faharoa ary noentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary nisaona an’i Josia ny Joda sy Jerosalema manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nafindran’ny mpanompony avy teo amin’ny kalesy izy, ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa izay kalesiny, ka nentiny tao Jerosalema. Maty izy, ka nalevina tao am-pasan-drazany. Nisaona an’i Josiasa avokoa i Jodà sy i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nesorin’ny manamboninahiny tamin’ny kalesy nisy azy i Jôsià ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy, ka rehefa nalevina tao am-pasan-drazany, dia nisaonan’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia nesorin'ny mpanompony tamin'izany kalesy izany izy, ka napetrany teo amin'ny kalesiny faharoa ary nentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary ny Joda sy Jerosalema rehetra dia nisaona an'i Josia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nesorin’ny mpanompony tamin’izany kalesy fitondra miady izany izy ka napetrany teo amin’ny kalesiny fitondra miady faharoa ary noentiny ho any Jerosalema; dia maty izy ka nalevina tao am-pasan-drazany. Ary nisaona an’i Josia ny Joda sy Jerosalema manontolo.
malagasy