2 Chronicles 35:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao hira fisaonana an’i Josia koa i Jeremia, ary ny mpihira lahy sy ny mpihira vavy rehetra dia mahatsiahy an’i Josia mandraka androany raha manao hira fisaonana, koa nataony fanao teo amin’ny Israely ireny; ary indro, voasoratra ao amin’ireo hira fisaonana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Namoron-kira fisaonana an’i Josiasa i Jeremia, ary nilaza an’i Josiasa ny mpihira rehetra na lahy na vavy amin’ny hira fisaonana nataony mandrak’androany, ka tonga fanao eo imason’i Israely izany; ka indro fa voasoratra ao amin’ny Fihirana fisaonana izany hira izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jeremià dia nanao hira fitomaniana an’i Jôsià; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an’i Jôsià mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana, satria nanjary fanao teo amin’i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan’ny hira fitomaniana ireny hira ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an'i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin'ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny fihirana fisaonana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao hira fisaonana an’i Josia koa i Jeremia, ary ny mpihira lahy sy ny mpihira vavy rehetra dia mahatsiahy an’i Josia mandraka androany raha manao hira fisaonana, koa nataony fanao teo amin’ny Israely ireny; ary indro, voasoratra ao amin’ireo hira fisaonana izany.
malagasy