2 Chronicles 35:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tantaran’i Josia sisa mbamin’ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny asan’i Josiasa sisa, ny asa fitiavam-bavaka mifanaraka amin’ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh, ny asany voalohany sy farany, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely sy i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôsià ary koa ny asa soa nataony araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO,
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tantaran’i Josia sisa mbamin’ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO,
malagasy
Ary ny tantaran'i Josia sisa mbamin'ny soa nataony, araka izay efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah,dia ny asany voalohany sy farany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.