2 Chronicles 35:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny vahoaka izay nivory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy telo alina, sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo, ary hatao Paska avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao fanomezana tamin’ny ankapobem-bahoaka rehetra i Josiasa, dia biby fiompy madinika, zanak’ondry aman-janak’osy, 30.000 no isany, ho an’izay rehetra tonga teo hanaovany ny Paka; ary omby 3.000; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka avokoa izany rehetra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoaka izay vory teo dia nomen’i Jôsià zanak’ondry sy zanak’osy hatao sakafo Paska: 30 000 no isan’ireo biby ireo, ary mbola niampy omby telo arivo, samy avy amin’ny fananan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny vahoaka izay nivory teo dia nomen’i Josia zanak’ondry sy zanak’osy telo alina, sy omby telo arivo; avy tamin’ny fananan’ny mpanjaka ireo, ary hatao Paska avokoa.
malagasy
Ary ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i losia zanak'ondry sy zanak'osy, telo alina no isany hatao Paska avokoa ireo sy omby telo arivo; avy tamin'ny fananan'ny mpanjaka ireo.