2 Chronicles 35:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona ary ny levita koa ny mpanapaka. Ary nanome ondry aman’osy eninjato sy roa arivo ary omby telonjato kosa ho an’ny mpisorona hatao Paska i Hilkia sy i Zakaria ary i Jehiela, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanapaka nanome an-tsitrapo ho an'ny olona sy ho an'ny mpisorona sy ny Levita. Ary Hilkia sy Zakaria sy Jehiela, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, nanome ondry aman'osy enin-jato amby roa arivo ho an'ny mpisorona hatao Paska ary omby telon-jato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanome an-tsitrapo ho an’ny olona sy ho an’ny mpisorona ary ny levita koa ny mpanapaka. Ary nanome ondry aman’osy eninjato sy roa arivo ary omby telonjato kosa ho an’ny mpisorona hatao Paska i Hilkia sy i Zakaria ary i Jehiela, mpanapaka ny tranon’Andriamanitra.
malagasy