2 Chronicles 35:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanome ondry aman’osy dimy arivo sy omby dimanjato ho an’ny levita hatao Paska i Konania, i Semaia, i Netanela rahalahiny, i Hasabia, i Jeiela ary i Jozabada, lehiben’ny levita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Kôneniasa, i Semeiàsa sy i Natanaely rahalahiny, i Hasabiasa, i Jehiela, i Jôzabada lehiben’ny Levita, nanome zanak’ondry 5.000 sy omby 500, ho an’ny Levita hanaovana ny Paka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo filohan’ny levita, izany hoe ry i Kônanià sy i Semahià ary i Natanaela mirahalahy mbamin-dry i Hasabià sy i Jehiela ary i Jôzabada, dia nandroso ondry aman’osy dimy arivo ho an’ny levita mba hatao soron’ny Paska.
Malagasy Bible 1865
Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanome ondry aman’osy dimy arivo sy omby dimanjato ho an’ny levita hatao Paska i Konania, i Semaia, i Netanela rahalahiny, i Hasabia, i Jeiela ary i Jozabada, lehiben’ny levita.
malagasy
Ary Konania sy Semaia sy Netanela rahalahiny ary Hasabia sy Jeiela sy Jozabada, lehiben'ny Levita, nanome ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny Levita hatao Paska ary omby dimam-jato.