2 Chronicles 36:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa dia nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny Jentilisa ka nandoto ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema izay nohamasininy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny firenena, sy nandoto ny tranon’i Iaveh, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an’Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon’ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan’ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa dia nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny Jentilisa* ka nandoto ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema izay nohamasininy.
malagasy
Ary ny lehibe rehetra tamin'ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny jentilisa ka nandoto ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.