2 Chronicles 36:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, i Iaveh Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoakany sy ny fonenany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin’ny olony.
Malagasy Bible 1865
Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany.
malagasy
Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin'ny olony sy ny fonenany.