2 Chronicles 36:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny ny olona sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatra ny fahatezeran’NY TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
Malagasy Bible 1865
Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny ny olona sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatra ny fahatezeran’NY TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
malagasy
Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.