2 Chronicles 36:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa noentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao amin’ny trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijiny, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tanany avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia nentin’i Iaveh hiakatra hamely azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina, ary novonoin’io tamin’ny sabatra tao an-tranon’ny fitoerany masina, ny zatovony, tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy, na ny tovovavy, na ny antitra na ny fotsy volo, fa natolony ho eo an-tanany avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjakan’ny Babilônianina no nentin’ny Tompo namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin’ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan’io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra; eny, natolotr’Andriamanitra teo an-tanan’i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
Malagasy Bible 1865
Koa nentiny namely azy ny mpanjakan'ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin'ny sabatra tao an-trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa noentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao amin’ny trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijiny, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tanany avokoa.
malagasy