2 Chronicles 36:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary ny harena tao amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka; ireny rehetra ireny dia noentiny ho any Babilona avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentin’i Nabokodonozora ho any Babilôna avokoa ny fanaka teo an-tranon’i Iaveh, na ny lehibe na ny kely, ny rakitry ny tranon’i Iaveh, ny rakitry ny mpanjaka, ary ny an’ireo filohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ireo manampahefana; ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary ny harena tao amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka; ireny rehetra ireny dia noentiny ho any Babilona avokoa.
malagasy