2 Chronicles 36:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia ka nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh, ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa, amperôran’i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany. Nanaitra fanahy an’i Kirôsa manko tamin’izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran’ny fanjakàny manontolo ireto hafatra ireto:
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia ka nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
malagasy
[Ny teny nataon'i Kyrosy nandefasana ny Jiosy hody ho any an-tanindrazana] Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Perisa, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy mpanjakan'i Persia. mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.