2 Chronicles 36:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’i Kirosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanorina trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? NY TOMPO Andriamaniny anie homba azy, koa aoka hiakatra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie i Iaveh Andriamaniny ary aoka hiakatra izy...»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’i Kirosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanorina trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? NY TOMPO Andriamaniny anie homba azy, koa aoka hiakatra izy.
malagasy