2 Chronicles 36:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin’izay momba azy rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’Israely sy i Joda; ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny asan’i Jôakima sisa, ny fahavetavetana nataony, mbamin’ny toetrany hita, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely. Ary i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jôiakima ary koa ny fanompoam-tsampy maharikoriko nataony sy ny zavatra hafa rehetra nanjo azy dia voasoratra ao amin’ny Bokin’ireo mpanjakan’i Israely sy i Joda. Ary i Jôiakîna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin'izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin’izay momba azy rehetra, indro, efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’Israely sy i Joda; ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
malagasy